Nitsidika ireo kaominina telo manodidina ny Faritra arovana any Alaotra: ny any Morarano Amparihitsokatra, Mangalahala Ambandrika ary Amparihimpony Ambohidava, ny fitantanam-paritra, Dredd Alaotra-Mangoro, ny 29 jolay hatramin’ny 2 aogositra teo. Nentanina ny fokonolona manoloana ny ady atao amin’ny doro tanety sy doro ala ary ny doro zetra. Nasongadina fa manana anjara toerana lehibe amin’izany ny Tangalamena sy ny mpitondra fanjakana isan-tokony.
Lohahevitra nifantohana ny famaritana ny atao hoe doro tanety, ala ary zetra. Ny antony sy ny voka-dratsin’ny fandoroana. Nampahafantarina ny lalàna sy ny sazy mahakasika izany. Eo koa ny anjara andraikitry ny tsirairay amin’ny fisorohana. Nohazavaina ny hasarobidin’ny zetra, izay harena voajanahary mila arovana satria toeram-ponenan’ny biby arovana, toy ny varika bitika « bandro », tsy hita raha tsy anaty zetra any Alaotra. Ilaina ny fanadiovana sy ny fanamafisana ny aro afo any amin’ny toerana nambolen-kazo.
Navitrika sady vonona hiaraka hiady amin’ny afo ny mponina any an-toerana.
Njaka A.




