Faritra anisan’ny tena mamokatra voamaina toy ny tsaramaso, ny kabaro, ny voanjo, sns, ny faritra Menabe. Mahakasika ny tsaramaso, nahatratra 21 000 taonina ny vokatra tany an-toerana nandritra ny taom-pambolena 2024, raha 10 000 taonina izany tao amin’ny distrika Miandrivazo. Anisan’ny tena mamokatra tsaramaso ny tantsaha any amin’ny lemak’i Betsiriry, distrika Miandrivazo. Manoloana izany, nifampidinika sy nifanakalo hevitra tamin’ny teknisianina sy ny tantsaha any an-toerana, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio, ny herinandro lasa teo. Noresahina ny fikarohana paikady hanatsarana ny teknikam-pamokarana masomboly tsaramaso. Misy karazany efatra ny masomboly efa vokarina any an-toerana, ary miisa 10 ny tantsaha mamokatra azy io, ankehitriny. Satria, tanjona ny hampiakarana ny vokatra voamaina, anisany ny tsaramaso, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Anisan’ny manohana ny tantsaha amin’ny fampiroboroboana ny fambolena any an-toerana ny tetikasa AD2M, famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena hampandrosoana ny fambolena (Fida) sy ny Tahirimbola fampiroboroboana ny fambolena (FDA). Nanampiana ny mpamokatra ny kojakojam-pamokarana masomboly, ny zezika ary ny fitaovam-pamokarana. Tohanana ara-teknika koa ny tantsaha hanatsarana ny fomba fambolena.
Njaka A.




