Niorina ny taona 1986 ny orinasa sinoa-malagasy misahana ny asa vaventy (SMATP). Maherin’ny 30% ny petrabolan’ny fanjakana malagasy ao aminy. Fatiantoka tanteraka no hita ao aminy, ankehitriny, miampy ny tsy fahombiazan’ ny fitantanana nandritra ny taona maro. Natao ny 5 aogositra teo ny fivoriana notarihin’ ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), miaraka amin’ny minisiteran’ ny Asa vaventy (MTP) ary ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE). Nanatrika tao koa ny filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) ny SMATP ary ny governoran’ny faritra Analamanga, mitarika ny filankevi-pitantanan’ity orinasa ity.
Vontoatin’ny lahadinika ny hikarohana ny fomba hanarenana ity orinasa misehatra amin’ny asa vaventy ity. Mandray anjara lehibe amin’ny famolavolana ny drafi-panarenana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola, hiantohana ny mangarahara sy ny fahitsiana amin’ny fanatanterahana azy.
Naneho ny fahavononany hanohana amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana teknika ny fanjakana sinoa. Efa misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ ny minisitera MEF,ny MTP, ny MAE, ny PCA SMATP ary ny masoivoho sinoa eto Madagasikara hanatanteraka izany fanampiana izany. Tanjona ny hametrahana paikady lavitr’ ezaka amin’ny fanarenana ny orinasa.
Njaka A.




