VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fanarenana ny lalana RN6, Antso­hihy-Ambanja. Anisan’ny asa atao ny fanamboarana ny fanarian-drano, ny fanamafisana ny sisin-dalana. Kojako­jaina ny lalana tena ratsy. Ametrahana faman­tarana manokana ny lalana asiam-panamboarana. Manao ny asa ny orinasa Colas, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena ao anatin’ny tetikasa PCMI izy ity.

Hanao lavanty ampahibemaso ny masoivoho amerikana, amin’ny zoma 15 aogositra ho avy izao, eny amin’ny foibeny eny Andranoro. Fiarakodia efa niasa no hatao lavanty, ka ampidirina anaty valopy mihidy ny tolobidy ho an’izay liana hividy. Manolotra petra-bola 500 000 Ar ny olona liana.

Nitsidika tany Nosy Be, ny 1 aogositra teo, ny delegasionin’ny WCS (Wildelife Conservation Society) sy ny avy ao amin’ny fandaharanasa PME GEF7. Nore­sahina ny paikady amin’ny fitantanana maharitra ny rohivoahary an-dranomasina, toy ny vatohara sy ny zavamananaina. Nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny mpanjono sy ny fikambanana eny ifo­tony.

Partager sur: