Manodidina ny 65 dolara ny salam-bidin’ny iray barila (1 barila=59 litatra) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, raha ny nivoaka ny alakamisy 7 aogositra 2025 teo. Araka ny fanadihadian’ny mpahay toekarena iraisam-pirenena momba ny solika, inenina nisesy izao fihenam-bidy izao. Mahatonga izany ny fifampidinihana eo amin’i Etazonia sy i Rosia, izay tsy mbola nahitana vahaolana na marimaritra iraisana mahakasika ny toe-draharaha any Ukraine sy ny tontolo toekarena maneran-tany.
Tsiahivina, fa nanome fe-potoana an’i Rosia 10 andro i Etazonia, hampiatoana ny ady any Ukraine. Taorian’izay, nandefa an’i Steve Witkoff, iraka, ho any Rosia ny filoha amerikana Donald Trump, nihaona tamin’ny filoha Vladmir Poutine. Anisan’ny tena votoatin’izao fifampidinihana izao ny mety hisian’ny sazy amin’ny fanondranan’i Rosia solika any ivelany. Hatreto, tsy nisy ny marimaritra iraisana, nefa miankina amin’izany, ny vidin-tsolika maneran-tany. Raha ireo no zohina, mbola midina ny vidiny maneranan-tany, ary miaina izany ny eto Madagasikara.
Njaka A.




