VAOVAO TAMBATRA

Araka ny rafitra mipetraka eo anivon’ny Sadc, ny firenena mandray ny Fitarihana ity fivondronam-be ity no mitarika ireo kaomity rehetra ao aminy. Koa, ho an’ny Kaomitin’ny Fitantanam-bola, izay manatanteraka ny fivoriana anio 08 aogositra, dia ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Ramanampanoharana Andry, no hitarika sy handrindra izany mandritra ny herintaona.

Nahazo fitaovana fanamboaran-dalana « Epi de sable », ny any Ambakirano Ambilobe. Fitaovana ilaina amin’ny fifehezana sy fitazonana ny rano, hanampy ny tantsaha amin’ny fambolena. Hampitombo ny vokatry ny fambolena, sady hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha ny fisian’ity fitaovana ity.

Nahazo tantsoroka amin’ny fiompiana trondro ny Sekolin’ny zandarimaria ao Moramanga. Nanohana ara-teknika ny fitantanam-paritry ny jono sy ny toekarena manga Alaoatra Mangoro. Toeram-piompiana trondro roa no notsidihina, ny 6 aogositra teo, nijerena ifotony ny fivoaran’ny famokarana.

Partager sur: