Fanondranan’entana mankany Etazonia: Nihatra nanomboka ny 7 aogositra ny haba 15%

Tsy tataovana ilay haba vaovao 15% fanampiny, napetrak’i Etazonia, ny harena an-kibon’ny tany, ny fitaovam-pianarana sy ny sosialy. Anisan’ny iharany kosa ny lavanila.

Nanome fanazavana mi­simisy kokoa ho an’ny Fadintseranana mala­gasy, mahakasika ilay haba vaovao, tataovana 15%, ny rafitra amerikana Customs and Border Protection (CBP). Ampiharina ho fanampin’ireo haba efa misy ity haba vaovao 15% ity, na ireo ao anatin’ny sata ho an’ny firenena nomena tombondahiny, ny « Nation la Plus Favorisée » (NPF) na ny Agoa, izay mbola sitrahan’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny volana septambra 2025. Tsy voakasik’izany ny entana voatanisa ao amin’ny lisitry ny Tovana II, amin’ny didim-panjakana amerikana lah-14257, nivoaka ny 11 avrily 2025.
Tsy voakasik’ity tataon-ketra ity, ohatra, ny fitaovam-pianarana (boky, antontan-taratasy,…), ny fanomezana ara-tsosialy, ny entana ma­nokana entin’ny mpandeha. Torak’izany koa ny entana sasany mifandraika amin’ny fiarovam-pirenena izay manana ny habany manokana. Tsy tratry ny haba koa ny vokatra harena an-kibon’ny tany, in­drindra ireo voasokajy ho akora stratejika.
Iharan’ny 15% ny lavanila

Manampy ireo, iharan’ny haba 15% ihany koa ny lava­nila malagasy, na dia voasokajy ho tsy mandoa haba aza ao amin’ny haba fototra (tarif de base) amerikana (NPF Free). Midika izany, fampiha­rina mitokana ity haba fanampiny ity, na tsy misy aza ny haba fototra.
Miankina amin’ny daty ni­diran’ny entana any Etazonia, ny daty nandefasana ny en­tana ary ny daty namoahana ny entana ao amin’ny haban-tseranana ny taha fanampiny ampiharina.

Njaka Andriantefiarinesy

Ny tatao ampiharina :

*10% ho an’ny entana niditra teo anelanelan’ny 10 avrily sy 6 aogositra 2025.
*10% ho an’ny entana nalefa alohan’ny 7 aogositra 2025 ary tafavoaka alohan’ny 5 oktobra 2025.
*15% ho an’ny entana niditra ao amin’ny seranana any Etazonia na navoaka tao amin’ny ladoany amerikana, nanomboka ny 7 aogositra 2025 tamin’ny 00 ora 01(ora any Etazonia).

Partager sur: