Lavitra sady saro-dalana ny any Ankilandilana, 70 km miala ny distrika Morafenobe, faritra Melaky. Na izany aza, miezaka manakaiky ny vahoaka eny ifotony ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga (MPEB), entina hampiroboroboana ny sehatry ny jono. Tonga tany an-toerana ny minisitra Mahantante Paubert sy ny mpiara-miasa, ny herinandro lasa teo, nijery ifotony ny zava-misy sy mikaroka ny vahaolana iainan’ny mponina.
Nisy ny fihaonana mivantana tamin’ny mponina izay ny jono an-tanety no tena anisan’ny foto-pivelomany. Anisan’ny olan’ny mpanjono anefa ny tsy fahampian’ny fitaovana. Voaporofo izany nandritra ny fitsidihan’ny minisitra ny ranovory lehibe, toeram-panjonoan’ny mponina. Satria, lakana kely no entina manjono na manarato.
Nanome toky ny minisitra Mahatante Paubert, fa hijery akaiky azy ireo ahafahana mampiroborobo ny foto-pivelomany sady arahina fampiofanana ny teknika fiompiana trondro ihany koa. Tanjona ny hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina, hampiakarana ny fari-piainany, hamelomana ny ankohonany, satria mampidi-bola betsaka ny seha-pihariana trondro.
Njaka A.




