Nisy afo nirehitra tao anatin’ny Faritra Arovana Menabe Antimena (Apma), ny alatsinainy 4 aogositra 2025 teo. Toerana miisa efatra no voakasiky ny afo, ny any Anketrevo, Mandrotra, Tsarataona ary Kibo. Araka ny tatitra azo, sarotra ny nifehezana ny afo satria tsy nisy ny lalana nahafahana namonjy ny toerana nisy ny firehetana, sady lavitra ny toerana nahitana rano. Na izany aza, voafehy ny afo, nanomboka ny alakamisy 7 aogositra teo, vokatry ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokonolona, ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miombon’antoka any Menabe. Marihina, fa tsy nahitana afo sy firehetana tany amin’ny Faritra Arovana « Allée des Baobabs ». Entanina ny rehetra hiantso maimaimpoana ny 955 raha sendra mahita tranga doro tanety na doro ala.
Hamafazana katsaka na voanjo
Tsiahivina fa toerana ahitana doro ala foana ny any Apma Menabe, noho ny ataon’ ireo mpandripaka ala. Fotoana fanombohan’izy ireo mandoro ny ala izao volana jolay sy aogositra ary septambra izao, hamaritana ny tany hambolena katsaka na voanjo, ka hamafazana na handrotsahana ny masomboly. Miandry ny firotsahan’ny orana manomboka ny oktobra izy ireo, mba hanirian’ny voly. Mioty ny vokatra izy ireo enim-bolana aty aoriana, manomboka ny volana jona. Havoaka any andrefan’ny distrikan’i Mahabo, any Ankilivalo na Ankilizato ny vokatra avy eo, taterina amin’ ny sarety, ary afindra amin’ny kamiao avy eo.
Njaka A.




