Manohana ny fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo, ny Banky iraisam-pirenena. Ho soloina ny fantsona efa antitra, hamafisina ny tosiky ny rano, hampitomboina ny lavadrano, hitarina ny famokarana, sns.
Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny rano satria tsy nisy fanavaozana tao anatin’ny 50 taona. Mitombo ny isan’ny mponina sy ny mpampiasa rano. Tsy ampy 100 000 m3 isan’andro ny vokatra eto Antananarivo sy ny manodidina. Maro ny tetikasa ataon’ny Jirama, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ahazoana rano fisotro madio (Paaep).
Misy ny tetikasa hafa ma-nampy ny fanoloana ny milina mpamokatra rano rehetra. Mitotaly 64 000 metatra ny fantsona ho soloina tanteraka eto an-dRenivohitra. Tsiahivina fa efa natao ity fanavaozana ity saingy tsy nitohy. Hametrahana vondrom-pihariana herinaratra ny toby famokarana rano sy mampiakatra ny tosiky ny rano miisa 25 eto Antananarivo. Antony, mba tsy ho tapaka ny famatsiana rano raha sendra misy tsy tomombana ny famatsiana herinaratra, na ny delestazy. Miisa 24 amin’ireo 35 hatao ny toerana fitrandrahana rano ambanin’ny tany (forage) efa mandeha.
Toby Mandroseza fahatelo
Manampy ireo, hatsangana ny toby famokarana rano vaovao, Mandroseza III, hamokatra rano 40 000 m3 isan’andro, hanampy ireo roa efa eny an-toerana. Hisy koa ny fananganana toby famokaran-drano vaovao, hanampy ny eny Amoronakona, hamokatra 50 000 m3 isan’andro.
Raha aravona, hitombo ny tosiky ny rano, rehefa ho soloina ireo fantsona tranainy, anisan’ny tena mampitaraina ny mpanjifa. Satria saika tsy ampy na kely ny tosika manerana ny faritra maro eto an-dReinivohitra, amin’izao fotoana izao. Ho tratra ny fatra tsy ampy, 100 000 m3, satria manodidina ny 300 000 m3 isan’andro ny filana eto Antananarivo sy ny manodidina ary azo atao ny manitatra ny fampidiran-drano vaovao.
Njaka Andriantefiarinesy




