Fizahantany : Miara-miasa i Maorisy sy i Madaga­sikara

Noraisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, omaly, teny amin’ny toeram-piasany, ny ambasadaoro vaovaon’i Maorisy, Bruno Cunniah,
miasa eto amintsika. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany iombonana ny fihaonana, voafaritra ao anatin’ny faritra ranomasimbe Indianina, ny « iles Vanilles ». Manampy izany, ny fifanarahana fiaraha-miasa ao anivon’ny Sadc, satria samy mpikambana ao i Madagasikara sy i Maorisy.
Noresahina ihany koa ny fikarakarana ny Fihaonambe ara-toekarena hatao any Maorisy, amin’ny volana desambra 2025 ho avy izao. Hitarika ny delegasionina mala­gasy amin’io fotoana io, ny filoha Rajoelina Andry, entina hampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana ma­lagasy.
Tsiahivina fa anisan’ny manana fifanarahana fiaraha-miasa ara-toekarena i Madagasikara sy i Maorisy, izay natao sonia tamin’ny taona 2019. Voakasik’izany ny sehatry ny fizahantany, ny fanodinana sakafo, ny teknolojia niomerika (TIC) ary ny harena an-kibon’ny tany.

Njaka A.

Partager sur: