Efa azo ampiasain’ny besinimaro, nanomboka omaly 11 aogositra, ny ampahan-dalana mirefy 4 km, manomboka eo amin’ny fihodinana (rond point) Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mampifandray mivantana ny lalam-pirenena faha-4 sy ny arabe Lalan’ny Frankofonia Ambohitrimanjaka mitohy eny Andohatapenaka ity lalana vaovao ity. Malalaka ny arabe, mirefy 12 metatra ny sakany, ka natao ho an’ny fiara ny 7 metatra, ary misy lalana manokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisiny roa.
Nilaza ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, fa « dingana iray lehibe amin’ny fanatsarana ny fifamoivoizana izao fisokafana izao. Ahafahana manamaivana ny fitohanan’ny fiara, indrindra amin’ny fotoana fidirana sy fivoahana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ».
Fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny Eximbank Sina no nenti-nanana nanaovana an’ity lalana ity. Nanatanteraka ny asa fanorenana kosa ny orinasa sinoa CRBC. Nanatrika ny fotoana nanokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ihany koa ny ambasadaoro sinoa eto Madagasikara, Ji Ping, ho mariky ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta, sady taratry ny fanohanany mitohy ny sehatry ny fotodrafitrasa eto amintsika. Mifanojo amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc atao eto Madagasikara ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ity.
Njaka A.




