Mitondra fanazavana ny Fitantanana foibe ny fadintseranana mahakasika ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo andrimpanjakana voakasika eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina. Manana ny lanjany amin’ny lafiny toekarena sy ny fiarovana ny Drafitra stratejika vaovao mandritra ny 5 taona manaraka, ho an’ny taom-piasana 2025 hatramin’ny taona 2029, napetraky ny Fadintseranana malagasy. Voafaritra ao anatiny, fa mazava kokoa ny fomba fiasa eo amin’ny fitantanana ny Ladoany sy ireo sampandraharaha hafa toy, ny polisy, ny fahasalamana, ny fambolena, sns. Voavaha haingana ao anatin’ny fotoana fohy ny olana, amin’ny alalan’ny fifampidinihana tsy tapaka eo amin’ireo mpiantsehatra. Mazava ny fanazavana momba ny andraikitra sy ny anjara asa isaky ny andrimpanjakana rehetra, manamora ny fandalovan’ny entana ho haingana kokoa.
Manampy ireo, mihatsara ny fivezivezena eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina, vokatry ny fandraisana anjara mavitrika ataon’ny sampandraharahan’ny Ladoany amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa.
Natao ny fanavaozana ny fomba fiasa rehetra teo, hanarenana ny lesoka teo aloha. Satria, tsy nisy ny fandrindrana mazava eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana. Nisy ny fitovian’ny andraikitra sy ny dingana miverimberina. Vokany, nihena ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpisehatra ka tsy nahomby ny fanaraha-maso.
Njaka A.




