VAOVAO TAMBATRA

Nahazo fitaovana avo lenta fanaraha-maso ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ecofish », tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny COI. Anisan’izany ny angovo azo avy amin’ny masoandro mahaleo tena, hampandehanana ny fanaraha-maso avy amin’ny zanabolana (VMS) ho an’ny sambo mpitsirika Telonify.

Mahery vaika indray ny delestazy amin’ny atoandro, manampy ny amin’ny alina. Maharitra adiny 3 ny fahatahan-jiro eto an-dRenivohitra. Toy ny mahazatra, ambara fa mihena ny tosiky ny rano any Andekaleka no antony. Mihena, araka izany, ny fotoana ahafahana mamokatra ho an’ny mampiasa herinaratra.

Nampahafantarina ny 11 aogositra teo ny valin’ny fanadihadiana andrana mahakasika ny fiompiana zana-trondro sy ny trondro matavy any Lavakena, kaominina Imito, distrika Fandriana. Fantatra fa ity kaominina ity no ahitana mpiompy trondro be indrindra ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PPSPAS, tohanan’ny Vondrona eoropeana.

Partager sur: