Sainte Marie: Mamokatra saribao ekolojika ny vehivavy

Voalohany tamin’ny fifaninanana tanàna madio indrindra ny fokontany Ambatorao, any Sainte Marie. Nisitraka fiofanana sy fitaovana ny fikambanam-behivavy.

Nikarakara izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME), ny 2 ha­tramin’ny 5 jona lasa teo. Nahazo fampiofanana sy fampitaovana manokana ny fi­kambanam-behivavy amin’ny famokarana sy fanamboarana saribao ekolojika amin’ny alalan’ny fanodinana fako. Nijery ifotony tany Ambatorao, ny mi­nisitra Andonirina Max Fontaine, ny herinandro lasa teo. Hitany fa voafehin’ireto fikambanam-behivavy ireto ny famokarana saribao ekolojika ary nankasitrahany, satria ma­nampy amin’ny fampihodinana ny fihariana maitso izany. Vahaolana maharitra amin’ny fiarovana ny ala sady manome lanja ny fanodinana fako ho saribao ekolojika io tetikasa io.
Ankoatra ireo, nitarika atrikasa ihany koa ny minisitry ny Tontolo iainana, tany an-toerana. Mifantoka amin’ny lohahevitra roa lehibe. Voalohany, ny fametrahana ny Faritra arovana an-tanety sy an-dranomasina ny Nosy Boraha, AMTP Sorkay. Napetraka ity fanamby ity entina hanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary an-dranomasina any an-toerana. Voakasik’iza­ny ny hiarovana ny karazana trozona antsoina hoe «Me­gap­tera novaeangliae ». Ma­matsy vola ny tetikasa ny Ta­hirimbola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (FEM), tontosain’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) miaraka amin’ny GEF-AMP sy ny Gret Madagasikara.

Fanodinana ny fako plastika

Faharoa, eo koa ny fanamafisana ny ady amin’ny fandotoana plastika any Sainte Marie, izay mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariana maitso, toy ny fanodinana ny fako plastika ho lasa vokatra vaovao indray. Mi­fanandrify tamin’ny lohahevitry ny JME rahateo izany, « Nosy ho amin’ny ho avy tsy misy fandotoana plastika ».

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: