Foara Ambalasira : Hampiranty ny fahaizany Amoron’i Mania

Hotanterahina mandritra ny dimy andro, ny 20 ka hatramin’ny 24 aogositra, ao Ambo­si­tra, ny Foara Ambalasira. «Mikendry ny hampiroborobo ny otrikarena ara-kolontsaina, ny asa tanana , ny fambolena sy fiompiana, ny jono, sns ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ny Foara Ambalasira », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Coo­pérative des experts associés (CEAs) », Raobelison Denis, izay mikarakara ny hetsika. Mi­hoatra ny 100 ireo mpampiranty avy any an-toerana, sy avy any amin’ny faritra hafa hampiseho sy hanome vokatra sy fahaiza-manao isan-karazany ho an’ny mpitsidika. Hisy ihany koa ny atrikasa sy varotra fampirantiana mandritra ireo fotoana ireo. Hano­trona ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika ny manam-pahefana avy amin’ny faritra sy ny minisitera isan-tsokajiny (MIM, MPEB, …), ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo vahiny manokana.
Ankoatra izay, «hisy ihany koa ny fampiofanana momba ny fampandrosoana ny fandraharahana, fampisehoana ny asa tanana ary hetsika ara-ko­lontsaina izay handravaka ireo dimy andro ho avy ireo», hoy ny filohan’ny Antenimi­eran’ny varotra sy ny indostria ao Amo­ron’i Mania, Rabena­rivo Feno­laza. «Antom-pisian’ny Fede­ra­sionin’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Mada­ga­sikara (FCCIM) ny mifarimbona rehefa misy hetsika ataon’ny isamparitra», hoy ny fanaza­van’ny Tale je­neralin’ny FCCI M, Ramian­drisoa Bernar­din. Ani­san’ny mpiahy ny Foara Amba­lasira ihany koy ny jeneraly Désiré Ramaka­velo, tera­k’Amo­ron’i Mania.

Henintsoa

Partager sur: