“Bazar de la Sadc” : Misongadina ny vita malagasy

Maro ny hetsika mialoha ny Fihaonambe an-tampony andiany faha-45 ny Sadc. Anisan’izany ny « Bazar de la Sadc », eny amin’ny foibe Enirace, Lac Iarivo.

Nosantarin’ny filoha Ra­joelina Andry, afakomaly, ny hetsika « Bazar de la Sadc ». Miisa 200 ny tranoheva eny an-toerana, ahitana mpandray anjara maherin’ny 300 isa. Hita eny ny vokatra ara-toekarena sy ny ara-kolontsaina eto amintsika, hanasongadinana ny tena Vita Malagasy. Etsy ankilany koa, samy mampiseho ny mampiavaka azy ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina ireo firenena 15 hafa ao anatin’ity vondrona ity. Fotoan-dehibe ihaonan’ireo mpandray anjara ity fotoana ity. Satria, anisan’ny tanjona lehibe ny fifanakalozana sy ny fifandraisana. Vaindohan-draharahan’ny Sadc ny fifandraisana ara-toekarena. Misy ny fepetra raisina hanamorana izany, toy ny fanalalahana ny tsena, izany hoe, tsy hitataovana haba. Tsiahivina fa hetsika efa natao ihany koa ny « Herinan­dron’ny Sadc ». Izany dia nifantoka tamin’ny lohahevitry ny fanovana ny rafi-pamokarana, ny indostria ary ny angovo azo havaozina.
Hetsika samihafa

Na tsy mivantana aza, mifanandrify amin’izao fotoan-dehibe eto amintsika izao koa ny fisian’ny fotodrafitrasa vaovao maro samihafa. Nahitana ny fisokafan’ny « Voie rapide » mampitohy an’Ivato sy ny fiolahana eny Andranota­pahina, mipaka any amin’ny Art malagasy, sampanana Ambohi­trimanjaka. Noto­ka­nan’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ihany koa ny zotra teleferika, mampitohy an’Amba­tobe ha­trany Anosy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: