Filoha Rajoelina: Hamafisina ny fiaraha-midinika sy fiaraha-miasa

Navoitran’ny filoha Rajoelina Andry ny hanamafisana ny indostria sy ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny angovo. Miainga eto Madagasikara izany, arahin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona Sadc.

«Hampifandraisin’ny lanitra ny kaontinanta afrikanina. Manome sakafo antsika ny tany, ary mampifandray antsika ny ranomasina. Ireo no na­hatonga ny lohahevitra hifantohako mandritra ny fe-po­toam-piasana hitantanako ny Sadc hoe «fampiroboroboana ny indostria, ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny fiampitana any amin’ny angovo azo havaozina ». Ireo no anisan’ny nasongadin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, nandritra ny lahateniny teny amin’ny CCI Ivato, omaly. Mi­teraka fandraisana andraikitra ireo lohahevitra ireo, hamaritana tondrozotra hotanterahin’ny firenena mpikambana ao amin’ny vondrona. Hano­me asa isaky ny firenena, hiteraka rohim-pihariana matanjaka sy maharitra.
Ho an’i Madagasikara ma­nokana, mbola 18% ihany no mahasahana ny varotra, izay tena kely tokoa. Fotoana izao hifantohana amin’ny indostria, hanamafisana ny toekarena mahaleo tena. Maro ny fotodrafitrasa napetraka tato anatin’ny 5 taona farany, hoy izy. Ilaina ny fampiasam-bola, ny fananana olona ary ny finiavana politika. Fanalahidy hiadiana amin’ny fahantrana ny fanovana ny rafi-pamokarana izany. Mandeha koa ny fampiasana fitaovam-pamokarana mekanika. Tohanana ma­somboly sy zezika ireo tantsaha. Tanjona ny hampitomboana ny voka-bary ho 9t/ha raha 3t/ha izany, ankehitriny.
Angovo madio ny 70% amin’ny 2028
Mahatratra 36 tapitrisa ha ny velerantany azo volena eto Ma­dagasikara, nefa ny 2 tapitrisa ha amin’izany ihany no voajary. Firenena fahatelo mamboly vary be indrindra nefa i Ma­da­gasika­ra, aorian’i Nizeria sy Egypta. Tanjonay ny ho sompitr’i Afrika ara-pambolena, hoy ny Filoha.
Hanatrarana ireo ny fananana angovo ampy sy zakan’ny rehetra ny vidiny. Ho an’i Mada­gasikara, efa mandeha ny tetikasa angovo avy amin’ny ma­soandro, ny rivotra, ny tohodrano. Tanjona napetraka ny hampiasana angovo madio 70% amin’ny filana, amin’ny taona 2028. Hiteraka asa sy hoavy ma­miratra ho an’ny taranaka ny angovo madio.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: