Startimes: Omena lanja ny angovo madio

Mitodika any amin’ny fampiasana angovo madio ny orinasa Startimes. Manana tolotra ho an’ny mpanjifa, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro matanjaka ny orinasa. Fitaovana miaraka H50, ahitana bateria manana tanjaka 5 kiloampères, takelaka misintona ny herin’ny masoandro mi­isa efatra manana tanjaka 550W, ary vata mpanova he­­­ri­naratra 5 kW. Nambaran’ny tomponandraikitry ny varotra ao amin’ny Startimes, Randrianarivony Nantenaina, fa “vahaolana maharitra ireo vokatra ireo, ary afaka mahaleo tena na koa ampiarahana amin’ny herinaratry ny Jirama, ampiasana ny teknolojia Smart. Izany hoe, arakaraka ny filan’ny mpanjifa. Misy ny fiantohana na garantie ho an’ny fitaovana”.

Fandaharana vaovao
Ankoatra ireo, tolotra vaovao omen’ny Startimes ny karazana fandaharana televizionina ho an’ny taom-pilalaovana baolina kitra 2025-2026. Anisan’izany ny “La Liga”, ny “Bun­desliga”, ny “Roshin Saudi League”, ny “Carabao Cup”, sns. Alefa mivantana ny lalao manontolo ao amin’ny tolotra Star­times ST World Football, ST Sports Premium, ST Sports Life, ST Sports Arena ary ST Sports Focus.

Njaka A.

Partager sur: