Fandraharahana: Niditra ao anatin’ny Sim ny Ravinala Airports

Niditra ho mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), ny orinasa Ravinala Airports, mi­tantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenea Anta­na­narivo sy Nosy Be. Nana­tan­terahina izany ny fanaovan-tsonia ny sata mifehy ny fomba fiasa na deontolojia sy ny nahazoany ny mari-pamantarana, label «Malagasy ny Antsika». Midika ireo fa tafiditra ao anatin’ny rafitra ara-toekarena eto amintsika ity orinasa ity sady mandray anjara feno amin’ny fampiroboroboana ny vokatra sy ny fahaiza-manao malagasy eny amin’ny seranam-piaramanidina tantaniny.
Orinasa voalohany nahazo ny label «Malagasy ny Antsi­ka», omen’ny Sim, ny Ravina­la Airports, amin’ny fanomezana tolotra ny mpandeha eny Ivato Antananarivo sy Nosy Be. Ao anatin’izany ny fanarahana ny fenitra sy ny lalàna, ny laharam-pahamehana omena ny mpamatsy ny orinasa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Ny fanomezan-danja sy ny fampirantiana ny taozavatra malagasy eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny fanomezana asa ny olona eto an-toerana ihany koa. Miampy ny serasera mangarahara, ny andraikitra ho an’ny tontolo iainana sy ny sosialy, sns.
Nambaran’ny tale jeneraly, i Daniel Lafabvre, fa «fanehoana ny fahavononanay hampiroborobo ny indostria sy ny toekarena eto an-toerana izao fidirana anatin’ny Sim izao. Tsapanay fa vovonana manan-danja ho an’ny indostria ny seranam-piaramanidina».

Njaka A.

Partager sur: