Tsy ho very zo fa efa an-dalam-pikarohana vahaolana ny fanjakana. Nanaovana atrikasa manokana, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), Anosy, omaly ny fomba ahazoan’ireo teratany malagasy miasa sy monina any ivelany, mandray anjara feno amin’ny fifidianana sy ny hisitrahan’izy ireo izany zo izany. Nitarika izany ny eo anivon’ny MAE ary iarahana miasa amin’ny eo anivon’ny “International Center for Migration Policy Developpement – ICMPD”. Nodinihina sy nifampizarana tamin’izany ny hevitra rehetra afahan’ireo zanaka am-pielezana mifidy. “Tanjona ny hamahana ny mety ho olana rehetra hisitrahan’izy ireo ny zony feno sy tanteraka amin’ny fiatrehana ny fifidianana”, hoy ireo tompon’andraikitra. Miara-mifarimbona amin’izany ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, ny primatiora, ny avy amin’ny minisiteran’ny Atitany.
Fampanantenan’ny filoha Rajoelina
Eo koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana ary koa ny eo anivon’ny Ceni, anisan’ny tena ho tompon-draharaha. Mamatsy vola izany kosa ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE). Tsy hijanona eo izany fa hitohy amin’ny fakan-kevitra amin’ireo mpisehatra politika sy ny fiarahamonim-pirenena.
Tsiahivina fa fampanantenan’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihany tany Frantsa, farany teo ka nihaonany tamin’ireo Diaspora ny hisitrahan’ireo Malagasy any ivelany izany zo hifidy izany.
Synèse R.