Misantatra ny fampiasana ny arabe migodana ny Malagasy. Nidina teny Ambodifasina ny filohan’ny Sadc, sady filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, omaly. Nohamafisiny fa izay asa natombony dia tsy maintsy hovitaina.
Nosantarin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ny fanokafana ny ampahan-dalana amin’ny arabe migodana teo amin’ny PK0, Ambodifasina. Mirefy 8 km ny lalana miainga eo amin’ny PK0, hatreny Ambohimanga. Notsipihiny fa: « lavitra raha manaraka ny lalana mahazatra mankany Ambohimanga. Miainga eny Tsarasaotra, mandalo an’Ankorondrano, Andranobevava, Analamahitsy, Sabotsy Namehana, …, vao tonga any Ambohimanga. Andaniana 1h30 eo ho eo izany, satria be ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ankehitriny anefa, vita ao anatin’ny 8 na 10 minitra monja dia tonga eny Ambohimanga ». Kisary hanaporofoana fa ilaina ny fisian’ny fotodrafitrasa toy izao, sady sambany eto amintsika ny fisiany.
Araka ny efa teniny hatramin’izay, nohamafisin’ny Filoha, omaly, fa tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany izay asa rehetra natomboka. Midika izany fa tsy maintsy ho tanteraka ny fanaovana ity arabe migodana ity hatrany Toamasina, araka ny vina napetraka.
Hovitaina godirao
Mitotaly 260 km ny arabe migodana, mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina. Mizara roa ny asa. Ampahany voalohany ny mianga eo amin’ny PK0 Ambodifasina hatrany Anjozorobe, mirefy 80 km. Efa hita daholo ny soritry ny lalana. Hovitaina godirao mialoha ny faran’ny taona 2025 ny ampahany mirefy 25 km.
Miainga eo Anjozorobe hatrany Toamasina kosa ny 180 km ambiny. Efa hita koa ny soritry ny lalana, izay marihina fa ezahina ny tsy hikasihana ny Faritra arovana.
Nanotrona ny filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry mivady, omaly, ireo mpitondra fanjakana mpikambana ao amin’ny Vondrona. Izy ireo izay avy nanatrika ny fivoriambe andiany faha-45 teny amin’ny CCI Ivato, afakomaly. Teo koa ireo filohan’ny andrimpanjakana rehetra, ny solombavambahoaka sy loholona, ny mpikambana anaty governemanta, ny ben’ny Tanàna sy ny maro hafa.
Njaka Andriantefiarinesy




