Torkia sy Madagasikara : mihamafy ny fiaraha-miasa

“Vonona ry zareo amin’ny fiaraha-miasa na eo amin’ny fampianarana, fambolena, na indostria… Eo koa ny fanamafisana ny fifanakalozana eo amin’ny fizahantany, ananan-dry zareo traikefa amin’ny lafiny fitaterana ana habakabaka”, hoy ny filohan’ny An­tenimierandoholona, Razafi­ma­hefa Herimanana, momba ny fihaonana sy ny fifampidinihan’ny delegasiona parlemantera avy any Torkia sy ny loholona teny amin’ny Lapan’ Anosikely, afakomaly.
Maro ireo sehatra hifampidinihana ny amin’izany. Hisy fihaonana eo amin’ny roa tonta eny amin’ny Lapan’ Anosikely. Eo koa ireo minisitra hifampidinika amin-dry zareo. Nanamafy ny fanasan’ny filoha tiorka ny filohan’ny Repoblika hitsidika an’i Tor­kia koa ireo delegasion’ny parlemantera tiorka.
Mihamafy ny fifamatorana eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nisaorany ny ambasadaoron’i Torkia, Sem Ishak Ebrar Çubukçu, nandamina sy nandrindra ny fihaonana. Nanamafy ny filohan’ny vondrom-pifankatiavana Tor­kia-Madagasikara fa nahafaly azy ny fifanakalozan-kevitra sy fifampizarana traikefa voalohany tamin’ireo loholona.

R. Nd.

Partager sur: