Andro iraisam-pirenena : Tsy mitsaha-midina ny lanjan’ny saripika ho an’ny Malagasy

Tia maka sary ny Malagasy? Toa tranga fahita maneran-tany ihany io. Ny fitaovana hoenti-manatanteraka izany rahateo efa eny am-pelantanan’ny tsirairay. Raha io tranga io, tokony hivelatra sy hanan-danja eny amin’ny fiarahamonina ny saripika?

Isa, roa, telo, azo ny sary! Tany amin’ny taona 1970 – 1980, mbola faheno matetika io fehezanteny fohy, mialoha ny hanapihina ny fakantsary io… Amin’izao vanim-potoana izao, mipika izay manana fitaovana. Na izay tranga tsy tokony halaina sary aza, alaina ihany. Omaly, 19 aogositra no nankalazaina maneran-tany ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny saripika. Ho an’ny Malagasy, vokatr’io tranga io. tsy mitsaha-midina ny lanjan’ny saripika eo anivon’ny fiarahamonina. Fihetsika mamoafady, azo sary. Loza mahatsiravina, azo sary… Mitarika tsikelikely any amin’ny fironana ratsy. Tsy nobeazina tao anatin’ny kolontsaina tia sy manaja saripika ny Malagasy. Verivery fahatany. Potika, rovitra… Antony hafa manamaivana ilay asa goavana tazonin’ny saripika eo amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny zanakolombelona.

Mitombo hasina hatrany…
Araka ny maha tahiry sarobidy ny saripika. Tsy mitsahatra mitombo hasina sy lanja manaraka ny fahelany (ela nitoerana), izy ireny. Azo hanoratana sy hamaritana tantara iray na maro, tao anatin’ny vanim-potoana voafetra, na mitohy ny saripika. Antony miteraka fandrosoana eo amin’ny firenena tandrefana ny fanomezana lanja azy ireny eo amin’ny sehatry ny fikarohana.
Ny an-dry zareo Sinoa, ohatra, any amin’izay faran’ny tratry ny sary (sokitra, pika, soratra…) tany aloha no hisintonany ny ampahany lehibe indrindra amin’ny fahendrena navelan’ny razany. Ireny no hanaingany ny fototra sy hoentiny mifandray amin’ny hafa ka niteraka ilay fivelarana sy fandrosoana goavana be, maneran-tany, ao amin’ity firenena ity.
… Raha midina tsikelikely vokatry ny fananan’ny tsirairay finday ny hasina sy lanjan’ny saripika, mety ho tafarina ihany ny lesoka raha manana finiavana hitahiry sy hitandrina izany ny rehetra. Ao anatin’ny fanajana ny soatoavina sy ny hasina maha olona, anefa, no tokony hanaovana izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: