Soatiko farm : Hanangana fikambanana ny mpamboly holatra

Seha-pihariana manomboka miroborobo ny fambolena holatra eto amintsika. Vitsy mpahafantatra, na tsy mbola tafiditra ao anatin’ny fanjifan’ny Malagasy, anefa ny vokatra

Mikasa ny hanangana vondron’ny mpamboly holatra, amin’ity fa­ram­paran’ny volana aogositra ity, ny Soatiko Farm eny Sabotsy Namehana. Nam­baran’ny tomponandraikitra ao aminy fa vonona hiditra ao anatin’ity vondrona ity daholo ireo mpisehatra sy mpamboly holatra avy eto Antananarivo sy ny avy any amin’ny faritra. Fomba iray ahafahan’izy ireo miaraka mametraka tanjona iraisana sy hanaovana hetsika iraisana ho fampivoarana ny tontolon’ny fambolena sy ny sehatry ny holatra eto Mada­gasikara mantsy izany. Ho famahana ihany koa ireo olana rehetra izay sedrain’ny mpamboly azy io. Anisany amin’izany ny fisalasalan’ny ankamaroan’ny Malagasy mi­hinana holatra ho toy ny laoka amin’ny andavanandro. Satria mbola misy ny miahiahy sy matahotra sao mahafaty na misy poizina io vokatra io. Nohazavain’ny mpiompy ane­fa fa misy karazany ny holatra, ary ireo azo hohanina ihany no ompian’izy ireo.

Tsy ampy ny fotodrafitrasa
Eo ihany koa ny fahefa-mividin’ny mpanjifa izay hita fa ambany loatra ka hiteraka fatiantoka amin’ireo mpandraharaha sy ny mpamokatra izany. Satria, mila masonkarena sy fandaniana betsaka ny fambolena azy. Manaraka izany, ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa natokana hanaovana fikarohana mahakasika ny tontolon’ny holatra eto Madagasikara, na hanaovana ny famokarana ny sosona (souches), fomba fampitomboana ny faniriny, mifanaraka amin’ny toetr’andro.
Manampy izany, ny olana sedrain’ny mpamboly dia ny fitaterana ny vokatra noho ny haratsian’ny làlana. Tsy ampy ny fitaovana, toy ny vata fampangatsiahana any amin’ny faritra famokarana sy ny tsena ka mitarika ho amin’ny fahasimbana haingana ny holatra sy ny tsy fahampian’ny fitaovam-pitaterana sahaza. Hitondra vokatsoa maro eo amin’ny voly holatra tokoa ny fananganana ny vondrona.

Ninah(mpianatra asa)

Partager sur: