Dingana vaovao! Vita sonia, omaly 19 aogositra, ny famindram-pitantanana ny faritra arovana (AP) miisa 52. Fito taona no niandrasana azy. Nentina anavaozana ny fitantanana ara-tontolo iainana, araka ny lalàna faha-2015-005 io. Taratry ny fahavononana noraisin’i Madagasikara ihany koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny kongresy maneran-tany mahakasika ny valanjavaboahary tany Durban Afrika Atsimo sy Sydney Aostralia, izany.
Tafakatra 125, araka izany, ny Faritra arovana eto amintsika, mitotaly 8,7 tapitrisa ha, manome ny 5% ny karazan-javamananaina maneran-tany. Tombanana hiteraka 12% ny harinkarena faobe (PIB) ny fananana valanjavaboahary arovana toy izao.
Fanohanana ny mponina
Notsipihin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, omaly, fa tafiditra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny fifanarahana ny hampiasana ny teknolojia niomerika, hampiasaina amin’ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny fitrandrahana antsokosoko sy ny afo. Ilaina koa ny fanohanana ny mponina eny ifotony hanatsarana ny fari-piainany sy ny velon-tenany raha tiana hahomby ny fitantanana ny faritra arovana.
Njaka A.




