Tetikasa Fly over Anosizato sy Makis: Mahatratra 83,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Badea

Mpamatsy vola goavana amin’ny fanamboaran-dalana eto amintsika ny banky Badea. Anisan’izany ny tetikasa hanamboarana ny Fly Over Anosizato sy ny Fly Over Makis.

Ankoatra ny fanotronana ny Fihaonamben’ny Sadc, eto amintsika ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana (Ba­dea), Abdullah Almisaibeeh. Miisa efatra ny tetikasa goavana vatsiany ara-bola. Voakasik’izany ny fanorenana fotodrafitrasan’ny lalana vaovao anankiroa, ny Fly over Anosizato sy ny Fly over Makis. Mitotaly 83,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Badea hanatanterahana azy ireo. Ho an’ny Fly over Anosizato, mahatratra 55,2 tapitrisa dolara ny vola hampiasaina. Nisy olana teo amin’ny dingana an-tanan-tohatra tokony harahina, ka efa miverina ny antso tolobidy iraisam-pirenena ho an’izay orinasa hanatanteraka ny asa. Efa vita ny fifanarahana amin’ny kabinetra hanao ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ny asa.
Mitentina 28 tapitrisa dolara kosa ny famatsiam-bolan’ny Badea ho an’ny fanorenana ny Fly over Makis. Nanka­toavin’ny Badea ny hamatsiana vola sy ny hanatanterahana ny asa. Efa mandeha ny antso tolobidy amin’izao fotoana izao.

Lalam-pirenena faha-5 sy tetezan’i Mangoky
Ankoatra ireo, fotodrafitrasa lehibe vatsian’ny banky Badea ihany koa ny fanorenana tetezana vaovao any amin’ny reniranon’i Mangoky, any amin’ny lalam-pirenena faha-9, Toliara. Eo koa ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena faha-5, mampitohy an’i Sonierana Ivongo sy Vahibe. Mitentina 78,8 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Badea, hanatanterahana azy. Efa mandeha ny asa, ankehitriny ary vinavinaina ho vita amin’ny taona 2026.
Manampy ireo, fantatra fa vonona hamatsy vola 80 tapitrisa dolara hanampiana amin’ny fanamboarana ny arabe migodana, Antananarivo-Toa­masina ny Badea. Tsiahivina fa hisy 60 tapitrisa dolara ihany koa avy amin’ny Tahi­rim­bolan’ny Opep ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: