Hatao ny 4, 5, 6 ary 7 septambra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FIA 2025). Miaraka tontosaina amin’io hetsika io ihany koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny nahandro (FIG), andiany voalohany. Mikarakara azy ity ny Madavision. Hampiavaka ny FIA sy RIG, indray miaraka, ny ahitana amin’ireo tranoheva mpandray anjara maherin’ny 300, ny rohim-pihariana rehetra amin’ny tontolon’ny famokarana. Miainga any amin’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono sy ny manodidina azy, hatrany amin’ny anaty vilian’ny mpanjifa. Izany hoe, ny famokarana fototra mitohy mankany amin’ny fanodinam-bokatra, ny fanapariahana ary ny fanjifana. Miisa 10 ny fampisehoana karazana nahandro ataon’ireo mpahay sakafo matihanina. Ho hita eny ny atrikasa samihafa, toy ny mahakasika ny fomba fandrahoan-tsakafo isan-karazany, ho fampianarana, ny fanandramana ny tsirony ary ny fizarana amin’ny hafa.
Misy koa ny fanentanana sy fialamboly ary kilalao isan-karazany. Mpanohana ofisialy ny FIA sy ny FIG ny orinasa Yas, ny SFOI, ny Star ary ny Prochimad. Lehibe tokoa ny tranohevan’ny Yas, satria mirefy 100 m2 no hatokana ho an’ny vokatra Baliaka. Ho hita ao ny vokatra vaovao sahaza ny tokantrano rehetra.
Miahy ny hetsika ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny ao amin’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga.
Njaka A.




