Fahalalana: Miaina ny tsy sahaza azy intsony ny Malagasy

Miavaka e ! Mahay e ! Manan-talenta e !… Ireo vahiny mandalo, milaza izany ny ankamaroany. Ireo tompontany misintaka kely ny toerana misy azy, miteny tahaka izany koa… Ny hitan’ny maso, ren’ny sofina. Ravahina doka kely hatrany. Tena ilaina sy sahaza ny Malagasy ve izy ireny ?

Tao anatin’ny dokambarotra 17, ny 2 tamin’ireo ihany no amin’ny teny malagasy madiorano. Ny ambiny, amin’ny teny vahiny. Voakasik’io avokoa na ny dokambarotra mandeha amin’ny Radio na amin’ny Tele­vizionina, na petadrindrina lehibe. Tsy sahaza ny Mala­gasy, angaha, ny fahalalana voalaza ao anatin’ireny doka ireny sa ny vahiny ihany no hokendrena hanjifa ny zava-boalaza ao anatiny? Efa mananika ny 80% ny Mala­gasy ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Kanefa, mbola atao amin’ny teny vahiny ihany ny ankamaroan’ireo fahalalana tokony homena azy… Miaina ny tsy sahaza azy intsony ny Malagasy.
Taranaka malagasy, beazina sy ampianarina amin’ny teny vahiny. Fa nankaiza ny tenin-drazana? Io teny vahiny io mihitsy ve no tokony hatao eny an-dohaloha? Ny fahaizana ny fitsipi-pitenenana amin’io teny vahiny io ve no fahalalana tena sahaza ny Mala­gasy? Tsy mahagaga raha 12 taona nianarana ny teny malagasy ny Malagasy, kanefa tsy manana fototra amina fandrasana ny teny malagasy… Miaina ny tsy sahaza azy intsony ny Malagasy.
Rehefa mihira ny Malagasy. Mazava tsara ny fomba hanononana ny tononkira. Tahaka izany koa ny fomba hitendrena ny zavamaneno. Amin’izao fotoana izao, zara raha fantatra ny ambaran’ny tononkira. Ny zavamaneno, mampilefa matanjaka ny maheno azy… Satria, maka tahaka befahatany ny ataon’ny vahiny… Miaina ny tsy sahaza azy intsony ny Malagasy.

Lazaina fa mahay sy mahalala zavatra ny Malagasy.

Mijanona hatreo amin’ny doka ihany anefa izany. Inona ilay zavatra hain’ny Malagasy ka mampiaiky ireo izay mahita? Fahiny, aretimbe sy sarotra tsaboina. Nampiasany ny raokandro, sitrana. Ankehi­triny, fandalovana aretina tahaka ny sery na kohoka. Mikoropaka, mitady vonjy. Matahotra mafy sao ho tonga any amin’ny fahasemporana. Talohan’ny nidiran’ny vahiny teto Madagasikara. Tsy mba nanana famaky ny Malagasy fa ny varatra no nentiny namakiana sy nanamainana ny kitay. Amin’izao, nanjary karohina atsy sy aroa vao mahita Malagasy mahay izany. Nanjary atahorana indray aza ireny olona ireny. Olona mahay zavatra tsara, kanefa, atahorana fatratra?… Satria, nanjary tsy mahalala zavatra intsony ny Malagasy ka ny mahasoa, nanjary mampatahotra.
Fahiny, nokaloina (nasiana kalo) ny tany fambolena. Nasiana famato ny tanàna… Nahay zavatra tokoa ny Malagasy. Saingy, nanjary tsy sahaza azy intsony izany, ankehitriny. Hapangaina ho miara-miasa amina fanahy ratsy izay mbola mahavita (na manome hery sy hasina) ny kalo sy famato ary fanidy.

Mahafantatra an’Andriamanitra ny Malagasy

Tena izay tokoa raha ny voalazan’ny tantara tany ambadik’Imanareza (vanim-potoana na fandrefesana fotoana nampiasain’ny Mala­gasy nialoha ny nampiasana ny fanisana andro vahiny). Amin’izao vanim-potoana izao, na ilay lazaina fa Andria­manitra Andrianana­hary aza, niova. Toa tsy hitan’ny Mala­gasy raha tsy any amina toerana iray. Hany ka ataony izay tiany hatao. Dikainy izay tiana dikaina. Avy eo, milaza na manambara any amin’ireo olona lazaina fa voahosotra, hanala ny fahotana vita. Nomen’ny Malagasy toerany manokana, haja mitafotafo ireny olona ireny. Nodokafana mihitsy aza manoloana ny tranga sasany. Tsy hita popoka intsony ny hasina omena ireo raiamandreny. Nampan­deferina? Very ny fahalalana an’Ilay Nahary. Niova dika ireo “lalàna” napetrak’­Andriama­nitra Andriana­nahary sy ny fiainana ary ny fiarahamonina ao anatin’ny feon’ny fieritreretan’ny Malagasy.
Manana fahalalana amin’ny fidiovana ny Malagasy. Saingy ankehitriny, foana sy tsy misy manoloana azy ny tody, ny rariny, ny hitsiny, ny tsiny, sns, hany ka tsy tsapany intsony fa miaina ao anatin’ny fahadisoana sy loto izy.

Nomena vahana tafahoatra ny finoana

Rehefa nanary ny fahalalany ny Malagasy, nanome lanja ny finoana avy eo. Noraisina ho finoana avokoa ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny fiainana. Hay sy fantatry ny Malagasy tsara fa tsy azo atao ny mandrora miantsilany fa mahavoa ny tena. Tonga finoana anefa izany ka na fantatra izao aza fa hitera-doza ho an’izay manao azy sy izay iharany. Tanterahina ihany, satria, navadiky ny Malagasy ho finoana ny fisian’ny tody.
Ny ankamaroan’ireo fo­mba amam-panao niainana sy narahin’ny Malagasy, navadiny ho finoana. Fady ny mitsako alohan’ny vazana. Tsy famoaka amin’ny alina ny afo. Aza manao soron’afon’Ikala Adala, ny eo tsy levona, ny hafa asesika ihany… Ireny rehetra ireny, noraisina ho finoana avokoa. Nampanja­kaina tao anaty fiarahamonina.
Ny fahafantarana ny lahatra sy ny anjara, lasa finoana. Ny zava-miseho tsy takatry ny fahalalan’ny ankehitriny: “atao ahoana fa izay no lahatra”! Na miharihary izao aza fa vokatry ny tsy fitandremana, anjara ihany no ilazana sy andraisana azy… Miaina ny tsy sahaza azy intsony ny Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: