Vary safiotra : Mampidi-bola 5 tapitrisa Ar ny tany 1 hekitara

Nizarana masomboly vary safiotra sy zezika ny tantsaha eny Sabotsy Namehana, omaly. Ahazoana vokatra 12 taonina isaky ny hekitara ny velarantany 1 hekitara.

Misitraka ny vina sy ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tantsaha ao amin’ny kaominina Sabo­tsy Namehana. Natolotry ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razana­mahefa Tahian’Ny Avo, ho an’ny tantsaha miisa 320, omaly, ny masomboly vary safiotra milanja 1,8 taonina, sy zezika 48,7 taonina. Tsy fanomezana entina hamboly ity fanampiana ity fa entina hanohanana ny mpamboly hampakatra ny vokatra, hanatrarana ny tanjona napetraka, ny fahaleovantana ara-tsakafo. Tsia­hivina fa ahazoana vokatra 8 hatramin’ny 12 taonina ny fampiasana masomboly vary safiotra, rehefa tsara karakara toy ny fampiasana zezika sahaza, sy voafehy ny fomba fikarakarana ny tanimbary sy ny rano. Koa, hanatsara sy hampitombo ny fidiram-bolany ihany koa, satria mampidi-bola hatramin’ny 5 tapitrisa Ar isaky ny hekitara ny fambolena vary safiotra.
Hatao kaominina filamatra
Nambaran-dRtoa Sesa, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, omaly, fa « isika tantsaha, isika fikambanana, isika kaominina, no miara-manambatra hery ho amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo. Araka ny efa niainantsika nandritra ny Fihaonana an-tampon’ny Sadc, ny herinandro lasa teo, laharam-pahamehana ho an’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sady filoha vaovaon’ny Sadc ary reharehan’i Madagasikara isika tantsaha ».
Nomarihiny manokana koa fa hatao kaominina filamatra ny eny Sabotsy Namehana, amin’ny lafiny famokarana sy ny fampiasana ny vary safiotra.
Naneho ny hafaliany sy ny fahavononany hampakatra ny vokatra ny tantsaha eny an-toerana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: