VAOVAO TAMBATRA

Mihamafy ny delestazy eto an-dRenivohitra, nanomboka tamin’ny herinandro ambony no ho mankaty. Mitaraina ny mpanjifa, satria lazain’ny Jirama fa noho ny tsy fahampian’ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka no anisan’ny antony. Raha ny toetr’andro anefa, orambe foana tany amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy efa nandritra ny tapa-bolana farany teo izao, ary tokony hisy orana any Andekaleka.

Tsy niasa ny zotra teleferika TPC, omaly. Raha ny fanazavana avy ao amin’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao, hisy ny fandaminana amin’ny fitantanana ity fotodrafitrasa ity. Voakasik’izany ny fitantanana samihafa, toy ny fanofanana ny mpitantana malagasy ny fampandehanana ara-teknika ny teleferika, satria mbola frantsay no mahay azy hatramin’izao. Eo koa, ny mpiasa hafa.

Tsy nihetsika ny vidim-bary eto Antananarivo, tato anatin’ny efa-bolana. Nambaran’ny mpaninjara fa ireo vokatra vary vakiambiaty no amidy eny an-tsena amin’izao volana aogositra izao. Amin’ny volana oktobra vao manomboka ny maitsoahitra, fotoana hiakaran’ny vidiny tsikelikely. Amin’ny volana novambra sy desambra ary janoray no tena lafo ny vidiny.

Partager sur: