Nifanakalo hevitra tamin’ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny sekoly ambony Vatel Madagasikara ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, ny 21 aogositra teo. Nifantoka tamin’ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fampandrosoana maharitra ho lovain-jafy amin’ny alalan’ny fizahantany sy ny sehatry ny fandraisam-bahiny ny fifanakalozana. Nosinganin’ny minisitra, fa harena lehibe ho an’ny fizahantany eto amintsika ny tontolo iainana. Fanoitra mitondra fandrosoana ara-toekarena ny fampiroboroboana ny fizahantany maharitra. Tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny fahaiza-manaon’ny mponina eny ifotony sy ny famokarana biolojika. Eo koa ny fampihenana ny tsindry mihatra amin’ny harena voajanahary.
Notsindriany manokana, fa zava-dehibe ny fampifandraisana ny Politikan’ny Fizahantany sy ny Politikan’ny tontolo iainana. Mila hamafisina ny fandraisana andraikitry ny mponina eny ifotony, ny sehatra tsy miankina ary ny andrimpanjakana, hanatanterahana ny tanjona iombonana ho an’ny fampandrosoana maharitra.
Njaka A.




