Azon-dRakotozoely Andriantsitohaina ny voalohany amin’ny fifaninanana Prix Castel, avy amin’ny Tahirimbola Pierre Castel, ary karakarain’ny orinasa Star. Ny orinasa Techni-drônes Madagasikara sy ny tetikasa natsangany, misehatra amin’ny fivarotana drônes sy ireo asa mifanaraka aminy. Nohazavain-dRakotonoely Andriantsitohaina, fa tafiditra ao anatin’ny ataony ny sehatry ny famokarana, entina hanatsarana ny fambolena, toy ny vary sy ny katsaka, ohatra. Ampiasaina ny drônes entina hanomanana sy ny fikarakarana ny tany, amin’ny alalan’ny fakana sary ana habakabaka ny velaran-tany. Eo koa ny fanofanana sy fifehezana ny teknika samihafa.
Mitentina 25 000 euros (125 tapitrisa Ar) ny lelavola nomen’ny Tahirimbola Pierre Castel. Nilaza ny tomponandraikitry ny Star, anisan’ny mpitsara ny fifaninanana, fa anisan’ny antony nisafidianana ny Techni-drones ny tetikasany manohana ny famokarana, raha toa ka mpamokatra mivantana ny loka nomena ny mpifaninana tany aloha.
Loka « super lauréat »
Ho any Abidjan Cote d’Ivoire Rakotonoely Andriantsitohaina amin’ny volana septambra. Hisolo tena an’i Madagasikara (Star) izy sady hifaninana amin’ireo mpandresy avy amin’ny firenena afrikanina enina hafa. Hitarika ny mpitsara ny CEO ny Vondrona Castel, Grégory Clerc, ka mitentina 35 000 Ar ny loka ho an’ny voalohany, « super lauréat ».
Njaka A.




