Atao any Belo sur Mer, ny « Festival Botry Soa Fahitse », ny 21 hatramin’ny 24 aogositra. Hetsika ara-pizahantany sy ara-kolontsaina, hifantoka amin’ny sambokely botry, fampiasan’ny Vezo mpanjono. Hisy ny filaharana amin’ny lakana mampiasa voaly. Eo koa ny fifaninanana ara-kolontsaina sy hetsika ara-panatanjahantena ary fitsidihana ara-pizahantany.
Nihaona tamin’ny vondrona parlemantera japoney ny Praminisitra Ntsay Christian, ny 21 aogositra teo, tany Yokohama Japana. Nifantoka tamin’ny fanatevenana ny fifandraisana mametraka amin’ny politikam-pampandrosoana maharitra eo amin’ny firenena roa tonta ny lahadinika. Tanjona ny hisian’ny fifamatorana sy fifanakalozana ara-politika sy ara-toekarena ary ara-tsosialy.
Miisa 56 ny mponina any amin’ny kaominina Andronovondronina Antsiranana II, nentanina sy nampahafantarina amin’ny fisorohana ny loza mety hitranga ateraky ny fihinanana hazandranomasina (Icam). Nanatanteraka ny fanentanana ny ekipa avy amin’ny Observatoire Icam any amin’ny faritra Diana sy ny Fitantanam-paritry ny Jono, ny oniversite Antsiranana sy Toliara, ny IHSM, sns




