VAOVAO TAMBATRA

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), manoloana ny filazana fa misy mandrahona ny mpanao gazety Gaëlle Borgia. Nohazavainy, fa tsy mpiasa velively ao amin’ny MEF i Rajaonarivelo Philippe amin’io fotoana anoratany ny fandrahonana io. Koa, tsy tomponandraikitra amin’ny teny na fihetsiny ny MEF.

Mitohy ny fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro. Atao isaky ny alakamisy ny fiofanana ho an’ny faritra Analamanga, eny amin’ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby. Hiompanan’ ny fotoana ny torolalana amin’ny fanorenana toeram-piompiana trondro, sy ny mahakasika ny fiompiana trondro an-tanimbary. Tsy misy sarany.

Nitsidika ny Bazar de la Sadc ao amin’ny Enara Gallérie Ivato, ny Praiminisitra any Lesotho, Ntsokoanoe Samuel Matekane, ny alatsinainy teo. Nidera ny fahaiza-manaon’ny malagasy izy, ary nambarany fa tsy maintsy mbola hiverina aty Madagasikara ny tenany. Nitarika azy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Dewa Viviane.

Partager sur: