Miovaova hatrany ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tena ilaina anefa ity akora ity, ankehitriny, hanamboarana baterian’ny fiara elektrika.
Harena an-kibon’ny tany, sokajiana ho anisan’ny akoratany tsy fahita firy (terre rare) ny nikela. Firenena dimy no tena manana azy io, miantoka ny 70% maneran-tany, dia i Aostralia, Frantsa (Nouvelle Calédonie), Brezila, Rosia ary Cuba. Niova izany taty aoriana, satria mitrandraka koa ny firenena any Azia, nanomboka ny taona 2011, toa an’i Philippines, Indonezia, manampy an’i Rosia, Aostralia ary Canada. Mamokatra ny 65% maneran-tany. Nihazakazaka ny fitrandrahan’i Rosia, voalohany mpamokatra, talohan’ny taona 2011, ka nihena ny tahiry tany ambanin’ny tany nanomboka ny taona 2009. Nitombo 10% ny salanisan’ny famokarana, satria nanomboka nitrandraka ny any Azia Atsimo Atsinanana.
Anisan’ny firenena mamokatra nikela ihany koa ny orinasa Ambatovy eto Madagasikara. Miaraka mitantana azy ny orinasa japoney Sumitomo, mitazona ny 54,17% ny renivola, sy ny koreana, Korea Mine Rehabilitation and Mineral Resources Corporation, manana ny 45,82%. Tanjona napetraka ny hamokarana nikela 40 000 t isan-taona, saingy tsy tratra io, fa manodidina ny 31 000t/taona no vita. Raha ny tatitra tamin’ny telo volana voalohan’ny taona 2025, nihena 13% ny vokatra, araka ny antontanisa navoakan’ny Zonebourse, ny 31 jolay 2025 teo. Nahatratra 7 000 t ny nikela novokarin’ Ambatovy ny telo volana voalohany ny taona 2025.

54 000 dolara/t ny vidiny ambony indrindra
Mamaritra ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny London Metal Exchange (LME). Vidiny lafo indrindra ny tamin’ny taona 2007, nahatratra 54 100 dolara/t. Nitotongana be, tafidina ho 9 050 $/t izany ny desambra 2008, vokatry ny krizy ara-bola iraisam-pirenena. Niovaova avy eo ny vidiny, manodidina ny 13 000 $/t hatramin’ny 20 000 $/t. Nahatratra 30 000 $/t ny vidiny tamin’ny taona 2022. Ankehitriny, 14 900 $/t ny izany amin’izao volana aogositra 2025 izao.
Ho an’Ambatovy, tsy maintsy noraisina ny fepetra drafi-panarenana hifehezana sy hampihenana ny fandaniana anatiny, mba hisorohana ny fatiantoka sady hitazonana ny famokarana. Tafiditra ao anatin’izany ny nikela sy ny kobalta, vokatra faharoan’ny orinasa.
Marihina fa manan-danja amin’ny lafiny toekarena eto amintsika ny orinasa Ambatovy. Miantoka ny 41% ny famokarana ambanin’ny tany eto an-toerana ny nikela. Miantoka ny 40% ny hetra ampidirina amin’ny fanjakana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Bateria elektrika
Nanamboarana akora vy tsy miofo (acier inoxydable) ny nikela tany am-boalohany. Nihena ny fanjifana azy ny taona 2007 sy 2008, fa niakatra tsikelikely ny taona 2009 satria nanafatra betsaka i Sina, voalohany amin’ny fampiasana nikela voadio. Anisan’ny hanamboarana vola vy, indrindra ny fanafangaroana azy amin’ny varahina io akora io. Mafy sady tsy mety arafesina.
Mivoatra izany amin’izao fotoana satria akora ilaina ho an’ny baterian’ny fiara elektrika, izay miroborobo tokoa ankehitriny izany. Tany am-boalohany, akora kobalta no nanamboarana ny bateria mandeha amin’ny herinaratra, saingy niova ho nikela taty aoriana. Ny mampiavaka ny bateria elektrika ampiasana ny akora nikela dia izy manome angovo madio sy matanjaka ary maharitra. Betsaka mantsy ny singa «Cathode» ao anatiny, hany ka tena tian’ny mpanjifa fiara elektrika izy io.
Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy




