Mahasahy! Angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo no nahafantarana fa misy olona maromaro nahavita namory ny fokonolona tany Miarinarivo Antseva, distrika Antsirabe. Nitonona ho mahavita mampiditra jiron’ny Jirama ao anatin’ny iray volana izy ireo, ka nitaky vola mitentina 300 000 Ar tamin’ireo tokantrano manodidina ny 50. Taorian’ny vaovao azon’ny Jirama, napetraka ny vela-pandrika, olona roa no tratra ambodiomby. Nosamborina avy hatrany ary natolotra ny fampanoavana, ny 18 aogositra teo. Notazonina am-ponja ny iray, raha nahazo fahafahana vonjimaika ny namany iray hafa.
Eny amin’ny masoivoho irery ihany
Manentana ny tsirairay ny Jirama manoloana ny tranga toy izao. Misy ny tsara ho fantatra sy ny dingana arahina ho an’izay mikasa hampiditra jiro. Eny amin’ny «caisse» ny Jirama irery ihany ny toerana fandoavana ny vola mahakasika ny tolotra rehetra. Tsy maintsy eny amin’ny masoivohon’ny Jirama ny fangatahana ny fampidiran-jiro. Eny no apetraka ny taratasy an-tsoratra fangatahana, ny fandrefesana any an-tokantrano ataon’ny teknisianin’ny Jirama ary ny famoahana ny tetibidin’ny asa. Aorian’ireo vao mandoa ny tetibidin’ny asa ny mpanjifa ary tanterahina ny fampidiran-jiro. Mila mitandrina satria tsy any ambanivohitra ihany no misy misoloky toy izao, fa na an-tanàn-dehibe koa aza. Azo antsoina ny laharana maitso 547 na manatona ny Jirama na mampandre ny manam-pahefana raha misy ny mampiahiahy.
Njaka A.




