VAOVAO TAMBATRA

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Antongo Vaovao, distrikan’i Morombe, ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny sehatra tsy miankina ary ny tetikasa Tefiala. Noresahina, nandritra izany, ny olana sedrain’ny mpanjono madinika. Nojerena koa ireo vahaolana azo atao miaraka hampitomboana ny fari-piainan’izy ireo sy ny asa maharitra ho fitantanana ny harena an-dranomasina.

Nanambara ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, fa efa miroso ny fanatanterahana ny tetikasa Fly Over Anosizato. Tetikasa izay tohanan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana na Badea. Mitentina 25,2 tapitrisa dolara ny tetibola izay efa nampiasaina ny ampaham-bola rehetra mahakasika ny hanatanterahana ny asa, raha ny voalazan’ny minisitra.

Anjaran’i Fianarantsoa indray ny mandray ny atrikasa «fanamorana ny fisitrahana ny famatsiam-bola ho an’ny toetr’andro». Nisahana izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, izay natao ny 19 hatramin’ny 21 aogositra lasa teo. Tanjona ny hanangonana ny hevitry ny mpisehatra isan-tokony mahakasika ny rohifiasa sy ny fametrahana fitaovana mahomby. Eo koa ny hanentanana amin’ny fahafahana mitantana ny famatsiam-bola maitso amin’ny toetr’
andro.

Partager sur: