Fampandrosoana eny ifotony: Mametraka vina ho an’ny 15 taona ny MFFT

Efa mijery lavitra kokoa ny fampandrosoana eny ifotony ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Ambanja, faritra Diana.

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny kaominina Amban­ja, ny atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ho amin’ny fitohizan’ny famolavolana sy fanamboarana ny drafitra fampandrosoana ny tanàn-dehibe (PUDi) ho an’ny ao amin’ity kaominina ity.
Efa natomboka tamin’ny taona 2023 izany ary novatsian’ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance – Pic 2», andiany faharoa. Anisan’ny nodinihina voalohany tamin’izao atrikasa izao ny fampisehoana mazava tsara ny toerana ara-jeografika stratejika misy ny tanànan’i Ambanja.

Olana lehibe atrehin’ny tanàna
Etsy andaniny, efa ao anatin’ny famatsiam-bola Pic, andiany fahatelo, izao ny any an-toerana ka notohizana indray ny dingana manaraka amin’ny fanadihadiana. « Manome sehatra ny mpandray anjara ao amin’ny kaomity monisipaly misahana ny fandrafetana ny tanàn-dehibe (CMU) izany ary hanamafy ny vinam-pampandrosoana ny tanàn’Ambanja ho an’ny 15 taona ho avy. Eo koa ny paikady stratejika, miaraka amin’ny lisitry ny asa hatao mifanaraka amin’izany », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT.
Nahazoana vokatra avy hatrany ny fifanakalozan-kevitra tamin’izao atrika izao. Nahafahana niresaka tamin’ny fomba mazava momba ireo olana lehibe atrehin’ny tanàna. Anisan’izany ny fitantanana ny fako, ny resaka tany, ary ireo olana laharam-pahamehana hafa.

Synèse R.

Partager sur: