Nitondra fanazavana momba ny tetikasa Haratonaina ny tomponandraikitra ao amin’ny Fid. Vaindohan-draharahan’ny tetikasa ny hanala ny olona anaty kizofaran’ny fahantrana.
Manampy ny olona hiomana amin’ny fisondrotana amin’ny fiainana. Manome fitaovana ny olona hiavotana amin’ny alalan’ny tohana ara-bola, fanofanana ara-pihariana…
Ireo tokantrano tena marefo no misitraka ny tetikasa. Vatsin’ankohonana sy Asa Avotra Mirindra no fandaharanasa goavana anatin’io tetikasa io.
Tanjona ny ialana amin’ny fahasahiranan-dava. Fotoana voafetra ihany nefa no isitrahana izany. Aorian’ny fanohanana, tokony hanana traikefa ara-teknika sy hanana fomba fijery alavitra ireo ankohonana nisitraka izany. Novaina mihitsy ny fomba fisainana mba tsy hiondri-dava fa hanana fikirizana amin’ny fahaleovan-tena ara-pivelomana.
Omena tohana amin’ny fibeazana ny ankizy, fiarahan’ny mpivady mifanohana, fomba fahaizana misakafo miankina amin’ny vokatra misy eo an-toerana…
Tatiana A




