« Foara Ambalasira », andiany I : Ny fampandrosoana ny faritra Amoron’i Mania

Notanterahina nandritra ny 20 hatramin’ny 24 aogositra lasa teo, tao Antamponivinany Ambositra, ny hetsika ara-toekarena « Foara Ambalasira », andiany voalohany. Tanjona amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny harena ara-kolontsaina sy ny asa tanana manokana. Toy ny hazo voasokitra, firavaka, asa tanana amin’ny landy. Eo koa ny fanohanana ara-toekarena ireo mpanao asa tanana sy tantsaha amin’ny alalan’ny fampirantiana isan-karazany. Anisan’izany koa ny fampiroboroboana ny fizahantany ao Ambositra, izay efa malaza amin’ny maha renivohitry ny sokitra azy. Nanatrika ny hetsika tany an-toerana ny ekipan’ny minisiteran’ny Fampiro­bo­roboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), izay notarihin’i Heriniaina Ramananarivo, Mpandrindra ny tetikasa fanohanana ny faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta afrikana.
Hamoraina ny fifanakalozana
Nampahafantarina nandritra ity tsenabe ity koa ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra na PICM. Fitao­vana izay natolotry ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra hanamorana ny fifanakalozana sy fandraharahana ara-barotra. Hanampy betsaka amin’ny mpandraharaha ity Vavahadin-tserasera ity. Satria, manome torolalana amin’ny fanaovana raharaha ara-barotra, toy ny fanaovana fangatahana alalana hanondrana vokatra.
Etsy ankilany, fotoana na­nehoana ny vokatry ny Ori­nasa Odof ao amin’ny Faritra koa ny « Foara Ambalasira », nokarakarain’ny Antenimie­ran’ny Varotra sy Indostria Amoron’i Mania, izay nahitana tranoheva 57.

Rkt Malala

Partager sur: