Afakampitso no hiakatra kianja indray ny Barean’i Madagasikara. Mbola mamerovero sy tsy mety lefy ny hafalian’ny mpiray tanindrazana. Mipololotra avy ao anaty ny fahasambaran’ny vahoaka 30 tapitrisa manerana ny Nosy. Na inona na inona satam-piarahamonina, na manao ahoana na ahoana ny fari-piainana dia Barea ihany no resaka.
Ankoatra ny voka-dalao tamin’ny talata, mainka mahafinaritra ny nahita ny firaisam-pon’ny Malagasy tsivakivolo. Hatramin’ireo fianakaviana marefo, mpatory an-dalana aza dia nanan-kolazaina be dia be. Nafana ny adihevitra, toa mpanazatra matihanina avokoa. Hadinodino ny loka “rami” sy ny daomy. Naleon’ny mpiala voly nisotrosotro dia mifandahatra momba ny baolina kitra.
Na mpiasa birao na mpiasa tena dia samy nanan-kolazaina maro tokoa. Tsy azo nifandresen-dahatra fa toa teknisianina mahay avokoa. Ny hany nitovizan’ny rehetra dia nahay naka lesona tamin’ny zava-niseho. Nisintona onja miabo tamin’ilay karatra mena sy ny ady natrehin’ireo mpilalao izay efa 10 sisa teny ambony kianja.
Tsy misy nateraka ho resy tokoa fa izay manam-pikirizana sy miady hatramin’ny farany ihany no mpandresy. Na inona na inona sedra, rehefa ny fanamby no napetraka ambony dia tafavoaka hatrany. Toy ny lalam-piainana lalovan’ny Malagasy rehetra, ankehitriny, izany. Be dia be ny ady hatrehina, maro isan-karazany ny fijaliana lalovana kanefa tsy mahazo mitanondrika.
Mivadika ho angovo sy herijika tsara ny lesoka na izay heverina ho fahalemena rehefa hay ny mitrandraka azy. Rehefa matanjaka ny saina, tsy manaiky lembenana manoloana ny tanjona tiana hotratrarina dia misosasosa ho azy ny zava-drehetra. Safidy fotsiny ny ho resy na tsia amin’ny fiainana. Rehefa miady mafy rahateo, tsy maintsy ambinina!
r.r




