Tselatra

Torana tao anaty taxi-be ny masera iray teny Tanjombato omaly. Tsy fantatra izay nahazo azy fa izy tsy nahatsiaro tena teo ambony seza no nahataitra ny olona tao anaty fiara. Nentina nihazo toeram-pitsaboana izy avy hatrany izy.

Renim-pianakaviana iray maty nihotsahan’ny trano afak’omaly alina tao Manakambahiny andrefana, Ambatondrazaka. Naratra mafy koa ny zaza roa niaraka taminy saingy efa nahazo fitsaboana. Omaly, tonga nijery ifotony tany an-toerana ny tompon’andraikitra ka nandray fepetra hisorohana ny loza.

Partager sur: