Orange Money sy ny PAMF : Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fikirakirana vola

Ho fampiroboroboana ny resaka fikirakirana vola niomerika na “Mobile Money”, nanamafy ny fiaraha-miasan’izy ireo indray ny Orange Money sy ny Premiere agence de micro finance (PAMF).

Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Gara Soa­rano, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orange Money Madagascar sy ny Première agence de micro finance (PAMF). Tanjon’ izy ireo ny hampiroboroboana ny fidiran’ny Malagasy amin’ ny tolotra ara-bola niomerika na “Mobile money” mba hanamorana ny fiainan’ny olon-tsotra sy hanamafisana ny fahaleovantenan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika.
Ny taona 2018, efa nanom­boka ny fifamatorana ara-stratejika teo amin’ny roa tonta. Nahafahana nanamora ny famahana olana maro izany, toy ny fampindramam-bola sy ny tahiry amin’ny alalan’ny finday, izay natao hanampiana ireo fianakaviana sy ny ori­nasa tsy tafiditra amin’ny banky mahazatra.
Raha ny PAMF kosa, efa nanao ezaka lehibe amin’ny famelomana ny sehatry ny fampiasana vola madinika sy ny “PME”, amin’ny alalan’ny tolotra tsotra sy azo antoka ho an’ny mpanjifa eny ifotony.

Fanavaozana vaovao ho an’ny mpanjifa

Anisan’ny tolotra vaovao natolotr’ity fiaraha-miasa ity ny fampindram-bola, banky sy finday, na Bank to Wallet, mba hahafahan’ny mpanjifa mandatsaka ny vola avy hatrany avy amin’ny kaonty PAMF man­kany amin’ny kaonty Orange Money, ary azo antoka sy haingana ny fiasan’izany. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tolotra “M-Kajy”, izay ahafa­hana mamantatra avy hatrany ny vola afaka indramin’ny mpanjifa, tsy mila fisoratana anarana intsony. Ankoatra izay, azo atao ihany koa ny mametraka tahiry isan-kerinandro na isam-bolana, izay manampy amin’ny fanoma­nana ny hoavy.
Araka ny fanambaran’ny Orange Money, “ny tanjona lehibe indrindra dia ny hanamora ny fiainan’ny Malagasy sy ny ahafahan’izy ireo miditra amin’ny tolotra ara-bola na dia any amin’ny faritra lavitra aza.”

Fitia Randria

Partager sur: