VAOVAO TAMBATRA

Nifarana omaly ny fikaonandoha nasionaly nametrahana ny hoavin’ny jono eto Madagasikara, iarahana amin’ny fifanarahan’ny Vondrona maneran-tany momba ny varotra (OMC). Naharitra roa andro ny hetsika nifarimbonan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra.
Notontosaina tao amin’ny Kaominina Sainte Marie, distrikan’i Sainte Marie, faritra Analanjirofo, ny fam­piofanana momba ny teknikam-panjonoana maharitra, izay karakarain’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Anisan’ny fanavaozana natao tamin’ izany, ny sehatry ny fanjonoana makamba. Mpanjono miisa 85 avy amin’ny fokontany Ambodifotatra sy Vohi­lava no nisitraka ny fiofanana.
Nifarana omaly, tao amin’ny Kianja Barea Maha­masina, ny « Salon de l’étudiant et de l’emploi ». Hetsika iray natokana ho an’ireo mpianatra hizaha oniversite vaovao sy ireo mpianatra nahavita fianarana ka maniry ny hitady asa. Orinasa 10 no nanao fampirantiana teny an-toerana. Betsaka ireo tanora no liana tamin’ny famelabelarana natao. Nisy koa ireo niatrika ny adina am-bava avy hatrany.

Partager sur: