Fanatsarana ny famatsian-drano: Nanampy bonbonne 25 ny Jirama

Araka ny vaovao naparitaky ny orinasa malagasy Jirama, omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Nisy ny fampitaovana isan-karazany nataony mba hisitrahan’ny Ma­lagasy rano fisotro madio. Anisan’ny tena nisongadina tamin’izany ny fanampiana bonbonne miisa 25, izay hanatevina ny 236 efa niasa hatramin’izay.
Ho fampiharana izany avy hatrany, ny faritra avo sy ivelan’ny renivohitra izay tena sahirana no hanaovana io famatsian-drano io. Izany dia natao ho fanamafisana ny ezaka efa natao amin’ny fanatsarana ny resaka fanapariahana ny rano eto an-toerana, manoloana izao vanim-potoan’ny haintany izao.
Marihina fa ity hetsika ity dia tohanan’ny tetikasa fana­tsarana ny fampisitrahana ny rano fisotro madio, PAAEP. Ankoatra ny fametrahana bonbonne, misy fitaovana hafa koa natolotra hahafahana mamita ireo asa tokony ho vitaina maika. Na izany aza, mbola betsaka amin’ireo olona no mi­taraina amin’ny fahatapahan’ny rano matetika eto an-drenivohitra.

Fitia Randria

Partager sur: