Fiompiana trondro: Nahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana

Nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Tsima­naoraty Paubert, afakomaly, tany Mahajanga, fa efa mahatratra 66 000 ireo olona nahavita fiofanana amin’ny resaka fiompiana trondro eto Mada­ga­sikara. Araka ny fanazavany, efa mpiompy trondro avokoa ny antsasa-manila amin’ireo nahavita izany.
Raha ho an’ny faritr’i Ma­hajanga manokana, manodidina ny 282 ireo tanora, ray sy renim-pianakaviana tonga na­natrika ny fampiofanana sy fizarana traikefa mahakasika ity fiompiana trondro ity. Tsa­pa nandritra ny fifampizarana fa maro ireo olona liana sy te hisehatra amin’ity fiompiana trondro ity, noho izy sady asa mahavelona no azon’ny maro atao.
Marihina fa tanjona lehibe amin’ity hetsika ity ny fanapariahana ny fiofanana manerana an’i Madagasikara mba hahafahan’ny rehetra mahazo asa, indrindra ny tanora.

11 700 taonina …

Ankoatra izay, nilaza ny minisitra MPEB, Mahatante Paubert, fa efa 11 700 taonina ny vokatra tilapia sy karpa amin’izao fotoana izao, raha 3 000 t izany teo aloha. Namba­ra­ny fa tsy mbola ampy izany na dia efa betsaka aza ny ezaka vita. Nanteriny koa fa 307 000 t ny filana eto Mada­ga­sikara amin’ny trondro. Araka io, 130 000 t ny tsy ampy, raha 177 000 t ny vokatra misy ankehitriny. 142  000 t nefa no azo tao anatin’ny efa-taona lasa.

Fitia Randria

Partager sur: