Nifanakalo hevitra sy traikefa ny kolombianina sy ny Malagasy nandritra ny « Business Forum Colombia–Madagasikara », natao omaly, fotoana nitsidihan’ny filoha lefitra kolombianina, Francia Elena Márquez Mina. Tanjona ny hametrahana fototra maharitra ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta.
Hetsika nokarakarain’ny EDBM tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCIA) Antaninarenina ka nampivondrona mpandraharaha, mpanao politika ary fikambanana kolombianina sy malagasy ity “Business Forum Colombia–Madagasikara” ity. Araka ny nambaran’ny minisitra lefitra kolombiana misahana ny Varotra ivelany, i Luis Felipe Quintero, «mihoatra ny 500 tapitrisa dolara isan-taona ny fanondranan’i Kolombia mankaty Afrika, indrindra any Egypta, Côte d’Ivoire ary Afrika Atsimo, amin’ny alalan’ny kafe, hena, vatomamy sy menaka palma ». Mahatratra 278 tapitrisa dolara kosa ny fanafarana avy aty Afrika ataon’ity firenena ity, ahitana solika, vy ary vokatra avy amin’ny hazandranomasina. 300 000 dolara isan-taona monja ny fifanakalozana eo amin’i Madagasikara sy Kolombia izay azo avy amin’ny karazana «épices» sy fanafody. “Ireo tarehimarika ireo dia manaporofo fa mbola betsaka ny vintana azo trandrahana”, hoy i Luis Felipe Quintero. Nohamafisiny fa ilaina koa ny fanatsarana ny fifandraisana ana habakabaka. Nasongadin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, fa manana toerana stratejika i Madagasikara eo amin’ny ranomasimbe Indianina. Notsindriny manokana fa “manan-danja lehibe amin’ny fiaraha-miasa ny fizahantany sy ny asa tanana, ary nanolotra hevitra hanomanana delegasionina ara-toekarena malagasy handeha any Kolombia izy”. Nisy ihany koa orinasa kolombianina avy amin’ny Agro-indostria, lamba, asa tanana, fambolena sy fizahantany ary ny sehatra maro mitady lalam-barotra maharitra eto Madagasikara. Nanipy resaka ihany koa ny roa tonta momba ny fifanarahana amin’ny lafiny fitaterana ana habakabaka, visa, fanabeazana ary kolontsaina.
Henintsoa




