Manakara : Natomboka ny asa famatsiana rano fisotro madio

Notanterahina tao Manakarabe, ny 29 aogositra 2025 lasa teo, ny hetsika fanombohana ny asa fanarenana sy fanatsarana ary fanitarana ny fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Manakara. Nitarika izany ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Andrianamelasoa Lalaina, niaraka tamin’ireo manampahefana isan-tokony sy solontenam-bahoaka. Araka ny fanazavan’ny minisitra, tafiditra ao anatin’ny tetikasa “PAAEP”, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ity asa ity. Mikendry ny hitondrana vahaolana maharitra amin’ny olana mahazo ny mponina amin’ny tsy fahampian-drano. Anisan’ny asa hatao ny fametrahana fantsona mirefy 20 km, ny fanatsarana ny toby fanadiovana rano efa misy, ny fametrahana siniben-drano 1 400 m³ ary ny fananganana fotodrafitrasa vaovao hakana sy hanadiovana rano. Raha tanteraka ny tetikasa dia hitombo avo telo heny ny rano hovokarina. Nisy ihany koa ny tsodrano nataon’ny solontenan’ny Ampanjaka ho fiarovana sy faharetan’ny fotodrafitrasa hamboarina. Antenaina hanome fahafaham-po ny mponina ity tetikasa lehibe ity, hanamora koa amin’ny fanjifana rano fisotro madio ho an’ny rehetra.

Fitia Randria

Partager sur: