“Efa 20 taona lasa ny 2002. Amin’izao 2023 izao, fitoniana sy fandrosoana no tadiavin’ny vahoaka malagasy. Isaorana ry zareo manana finiavana handray anjara amin’ny fifidianana”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard. Efa manomana ny toe-tsain’ny vahoaka ry zareo mpanohitra. Efa fantany fa ho resy izy ka hanakorontana sy hitarika olona hidina an-dalambe. Nefa iaraha-mahalala fa efa leo korontana ny vahoaka.
Inona moa ny zava-misy ? Eo anatrehan’ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana tsy hita hotanisaina eo amin’ny lafiny rehetra manerana ny Nosy, tsy misy intsony ny fanakianana mafonja azon-dry zareo afa-tsy ny mitatitra lainga sy manely tsaho. Eo ny hoe tsy handray karama ny mpiasam-panjakana amin’ity janoary ity, hanonta vola ny fanjakana… Voizina koa fa mivaro-janaka ny any Ikongo noho ny fahantrana. Nefa tena nanamafy sy nanome porofo ny tomponandraikitra any an-toerana fa tsy misy izany mivaro-janaka izany.
“Tsy hoe mafana ny toe-draharaham-pirenena”, hoy izy. Ireo mieritreritra handray anjara amin’ny fifidianana no mifanontany fa hoe ho sarotra aminy ny mifanandrina amin’ny filohan’ny Repoblika amin’izao. Voizina avokoa izao antsanga tsy aman’orana izao.
R. Nd.